Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

 Minisitry ny Fitsarana  : « Tsy fantatra raha misy mpitsara na tsia ny « Raharaha Arnaud »

$
0
0
ministra 16 janoary

« Misy ny feo naely fa hoe misy mpitsara voarohirohy ao anatiny. Hatramin’izao, raha ny loharanom-baovao voaangona: tsy mbola afa-kiteny ny tenanay hoe marina izany na tsia. » Io no fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline, teny Anosy, omaly, momba ny raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud tany Toamasina. Filazana izay misy fahasamihafany ihany amin’izay voalazan’ny sendikan’ny mpitsara. Ireto farany izay nanizingizina fa ”tsy misy idiran’ny mpitsara mihitsy izao raharaha fakana an-keriny izao”.

Nanomboka nisian’iny raharaha iny, niara-niasa ny zandary sy ny polisy ary ny fitsarana. Nitarika ny hetsika rehetra natao hatramin’izay ny tonia mpampanoa. Aleo ry zareo mpanao fanadihadiana hanohy ny asany an-kalalahana toy ny efa nanaovany azy hatramin’izay, araka ny fanazavany.

Ho hitantsika eo ihany ny fizotran’ny raharaha. Matoky ireo olona manao ny asany ireo araka ny feon’ny fieritreretany tanteraka izy, fa hipoitra ny marina. Nafindra aty Antananarivo ireo olona voarohirohy amin’io raharaha io, araka ny nambarany. Manomboka mandray an-tanana izany ny aty Antananarivo.

Tsy nisy ny baiko avy amin’ny filoham-pirenena

« Tsy baiko fa nanaraka an’io akaiky ny filoham-pirenena », hoy ihany izy momba ny famindrana ireo olona voarohirohy amin’iny raharaha iny aty Antananarivo. Tsy mba ataon’ny filoham-pirenena tsinontsinona ny zavatra mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka.

Manaraka akaiky izany izy, ary manampy tosika mba hahafahana miasa tsara. Nangataka tolo-tanana tamin’ny fiadidiana ny Repoblika ny fitsarana tamin’ny fitaterana ireo olona ireo ho aty Antananarivo noho ny tsy fananan’ny tomponandraikitry ny fonja fiara ho amin’izany, araka ny fanazavany.

Fepetra manokana tsy maintsy noraisina ny famindrana ireo olona ireo mba hahafahana mampandroso bebe kokoa ny raharaha ary fiarovana ireo olona sy ireo antontan-taratasin’ady izay efa ao an-tanan’ny fitsarana. Mba tsy hisian’ny sakantsakana izany, fa handeha amim-pilaminana ny asa amin’ny fikarohana ny marina.

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>