Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Morarano Ambohitsoa : nanao bemidina ny polisy, maty voatifitry i Bolo

$
0
0
basy

 Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa eny Ambohijatovo, afakomaly alina teny Morarano Ambohitsoa. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy iray antsoina hoe Bolo. Araka ny fanazavan-dRandrianasolo Maxime, sefom-pokontanin’i Morarano Ambohitsoa, taorian’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana roa teny an-toerana, nanao fampandrian-tany teny ny polisy ka tamin’izany no nahafahan’ny polisy nifanenjika tamin’ireo jiolahy. Voalaza fa nahazo vahana tamin’iny faritra iny ny vonoan’olona miharo fanolanana. Marobe rahateo ireo olona nitaraina teny anivon’ny fokontany manoloana izany. Nivarahontsana ny ankamaroan’ny mponina manoloana ity tsy fandriampahalemana ity satria manao ny ataony ary tsy mitsitsy ry zalahy rehefa manao fanafihana.

Mitohy ny fikarohan’ny polisy ireo jiolahy naman’ilay voatifitra. Ao anatin’ireo karohina ilay jiolahy atidoha nikotrika ny famonoana ireo niharam-boina.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>