Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Tsy ny lehilahy ihany… : roa vavy tratra nanataka poketra teny Analakely

$
0
0
Mpanendaka12

Noraisim-potsiny ireo vehivavy roa voarohirohy ho mpanataka poketra sy sakaosy amin’ny hareza eny Analakely. Teo am-panatahana poketra an’ny renim-pianakavina iray niantsena tao amin’ny toeram-pivarotana hazandrano ao amin’ny pavillon Analakely izy roa vavy ireto no voasambotry ny polisin’ny UIR, ny asabotsy maraina teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, enim-bavy izy ireo no miaraka rehefa hanao ny asa ratsiny ka eny amin’iny faritra Analakely iny. Narahin’izy ireo avy hatrany ity renim-pianakaviana ity tamin’io fotoana io. Notatahan’izy ireo avy hatrany ny poketrany mialoha ny nidiran’ilay ramatoa tao amin’ilay toeram-pivarotana trondro. Teo am-pandoavana vola kosa, nahatsikaritra izy fa tsy tao anaty poketrany intsony ny fitoeram-bolany. Nisy nahatsikaritra kosa ireto jiovavy ireto nandritra izany ka raikitra ny fifanenjehana. Nifanehatra tamin’ny polisy anefa izy ireo ka tsy afa-bela ny roa vavy raha tafaporitsaka kosa ny ambiny.

Ireo mpivarotra eo Analakely mihitsy koa no olana amin’ny fisamborana ireo tontakely ireo satria miray tsikombakomba amin’izy ireny ny ankamaroany.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>