
Ao anatin’ny 48 ora, tsy maintsy manome vaovao ny mpitandro filaminana ny sefom-pokontany rehetra ao Toamasina momba ny resaka kidnapping. Inona ny hahazo ireto sefom-pokontany ireto raha tsy mahita na inona inona anatin’izay?
Nifanindran-dalana tamin’ny antso ho amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpaka an-keriny izay mbola mitazona an’ i Arnaud nataon-dreniny ny talata teo, tetsy an-tokantranony, mba hisian’ny dinika sy fifampiresahana amin’ny tokony hamotsorana ny zanany sy fotoana nanaovana antso ihany koa mba hifanomezan-tanana sy firaisankina amin’ny fanomezam-baovao, namory ny sefo fokontany miisa 138 ihany koa ny OMC (Organisation mixte de
conception) tetsy amin’ny lapan’ny prefektiora Mangarano, ny andron’ io
talata io.
Hafatra napetraka amin’ ireo sefo fokontany sy delegén’ny boriborintany miisa dimy ao andrenivohitr’ i Toamasina ny hoe « tsy maintsy manome loharanom-baovao marim-pototra ny OMC ny sefo fokontany satria any anaty fokontany eto Toamasina ny trano ihazomana
an-keriny an’ i Arnaud ». Marina tokoa fa maharaka na tokony hahafantatra ny fivezivezin’ny olona ao aminy fokontany sahaniny ny sefo fokontany. Raha sanatria ka tsy misy ny vaovao omen’ireo olona ireo anefa, inona ny mety hahazo azy ireo? Mety tsy mahay ny asany ny sefom-pokontany, sa ny mpitandro filaminana no mitady ho tapi-dalan-kaleha?
Efa voaomana niarahana tamin’ny mpamily
Fakana an-keriny efa tsara fanomanana niaraka tamin-dRakotonirina Diotin, mpamilin’ izy mianadahy ity raharaha ity, raha fanazavan’ny kaomisera divizionera Lié, talem-paritry ny filamianana anatiny raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tany amin’ny birao fiasany. Ny
loharanom-baovao marim-pototra sy nivoaka tamin’ny famotorana mantsy dia olona mpifankahalala tsara i Lejao na koa Massaro sy ity mpamily ity. Efa niandry teo anoloan’ny jirama mialoha ny hiakarana amin’ny tetezana Tanambao Verrerie izy sy ny fiara 404 bachée nentiny no nandalo ary mody nijanona nijery kodiarana ny mpamily ka nanamora ny fidiran’ ireo jiolahy naka an-keriny teo. “Lejao izay tsy misy mahalala azy raha amin’ io fokontany io”, hoy hatrany ny fanazavana voaangona tao amin’ny biraon’ny polisy. Tantara mitohy.
Sajo sy Yves S.
Cet article Fikarohana an’ i Arnaud any Toamasina : terena hanome vaovao ny mpitandro filaminana ireo sefom-pokontany est apparu en premier sur NewsMada.