Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Kidnapping, fanafihana : mandray fepetra hentitra ny fanjakana, hoy ny Praiminisitra

$
0
0
Pm Mahazoarivo 23 des

Nivory maika ny teo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny Praiminisitra taorian’ilay toe-javatra mampalahelo vitan’ireo mpanao kidnapping tany Toamasina. Eo ihany koa ny firongatry ny asan-jiolahy eto amin’ny tanàna. Mandray ny andraikiny ny fitondrana…

“Miondrika eo anatrehan’ny fianakavian’ilay tovovavy novonoin’ireo jiolahy mpaka an-keriny tany Toamasina izahay. Tsy avela raha tsy azo ny tompon’andraikitra tamin’iny toe-javatra iny”, hoy ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean sy ireo minisitra tompon’andraikitra amin’ny fitandroana filaminana omaly, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny primatiora Mahazoarivo. Milaza fa efa mandray andraikitra ny fitondrana manoloana ireo asan-jiolahy miseholany tato ho ato. “Efa manao ny asany ny mpitandro filaminana isan-tokony, ary am-perinasa avokoa amin’izao fotoana izao. Misy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisana ka heverina fa ahitam-bokany tsy ho ela izany”, hoy ny Seg, ny Jly Paza. Nisy rahateo ny fivoriana maika niarahan’ny praiminisitra sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana, ary nandraisana baiko momba ny raharaham-pitandroam-pilaminana.

Nandiso ny nambaran’ny sasany ny amin’ny filazana fa ny mpitandro filaminana no nanakana ireo fianakaviana tsy hanome ny vola notakian’ireo jiolahy ry zareo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena. “Miaro ny vahoaka, ary misambotra ny olon-dratsy no ataon’ny mpitandro filaminana”, hoy ny fanamafisana.

Efa raharaham-pirenena mihitsy ity resaka kidnapping ity, ary tsy tany Toamasina ihany no nisian’izany, fa anisan’ny nanano sarotra ihany koa ny tany Sambava, izay nakan’ireo jiolahy mpianaka. Ny any Toamasina efa mijoro rahateo ny toeram-panaovana fanadihadiana manokana momba izany.

Vonona amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy

Nanome toky ny praiminisitra sy ireo minisitra tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandriampahalemana fa vonona ny fanjakana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy. Niseholany izany tao anatin’ny andro maro, ary vao omaly maraina ilay teny Andoharanofotsy. “Efa nandray ny andraikiny ny zandary momba io tranga io, ary nahitam-bokany izany”, hoy ny filazana.

Miatrana an-toby ny mpitandro filaminana rehetra ary misy ny paikady entin’izy ireo miady amin’ny asan-jiolahy. Nisesisesy tato ho ato, ary efa ho isan’andro mihitsy izany tamin’ny faritra maro. Tsy nilaza izay tetikady ny praiminisitra fa nanamafy kosa, fa efa nahazo baiko ny tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana rehetra, ary miandry vokatra sisa. “Hifety am-pilaminana ny rehetra. Efa mandray ny andraikiny ny fitondrana”, hoy ny Praiminisitra.

Yves S.

 

Cet article Kidnapping, fanafihana : mandray fepetra hentitra ny fanjakana, hoy ny Praiminisitra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>