Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fanafihana ny Airtel Money Andoharanofotsy : jiolahy 3 maty voatifitra, 2 azo sambo-belona, zandary iray naratra

$
0
0
UNEtaratra

Notafihan’ny andian-jiolahy nirongo basy Kalachnikov, basy poleta…, omaly maraina ny Airtel Money, Andoharanofotsy. Nitohy hatry ny tolakandro hatreny Soavina sy Amboanjobe ny fifanenjehana sy fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy. Vokany, maty voatifitra ny 3 tamin’ireo mpanafika raha azo sambo-belona ny roa. Nisy zandary iray sy olon-tsotra iray koa anefa naratra voan’ny bala.

Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary, roa azo sambo-belona nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy teny Andoharanofotsy, omaly antoandro. Jiolahy miisa dimy nitondra basy Kalachnikov iray sy P.A roa ary basy vita gasy iray no niditra an-keriny nanafika tao amin’ny Airtel Money iray eny Andoharanofotsy. Nilaza ry zalahy fa haka vola, saingy vavabasy avy hatrany no nanondro ny olona tao an-trano. Nitifitra ny jiolahy iray ka voatifitra teo amin’ny lamosiny ny tompon’ilay toeram-pivarotana. Tsy vitan’izay fa gorobaky ny bala teo amin’ny kibony koa ny lehilahy iray mpanao fitaratra mifanakaiky amin’ity toeram-pivarotana niharan’ny fanafihana ity. Nanapoapoaka basy tsy nisy toy izany ireo jiolahy mba hampitahorana ny olona teo amin’ny manodidina. Tsy nahazo na inona na inona ry zalahy satria tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy.

Raikitra ny fifanenjehana taorian’izay ka tratra teny Ambohimanala Andoharanofotsy ny jiolahy iray.

Naharitra adiny iray ny fifampitifirana…

Nifamaliana ny tifitra variraraka teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy. Niantso “renforts” avy hatrany ny zandary ao Andoharanofotsy. Tonga teny an-toerana nanampy tosika ireo zandary namany ny avy ao amin’ny borigadin’i Fenoarivo, ny Poste Avancé Anosizato, Ampitatafika, ny borigady sy kaompania Tanà Ville ary nampian’ny ao Ankadilalana. Tratra teny Soavina ny jiolahy faharoa.

Henjana ny fifandonana satria naharitra adiny iray ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy teo Amboanjobe. Toy ireny amin’ny horonantsarimihetsika ireny ny fahitana azy teny an-toerana, omaly. Vokany, rotidrotiky ny balan’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy. Tratra ihany koa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika teny am-pelatanan’izy ireo.

Zandary iray naratra voatifitr’ireo jiolahy teo amin’ny lamosiny nandritra ny fifanenjehana. Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany ity zandary ity ary tsy atahorana ny ainy.

Tsiahivina fa mitovy amin’ilay fanafihan-jiolahy nitranga teny Ambolokandrina, ny volana novambra teo koa ity fanafihana teny Andoharanofotsy ity.

Mendri-piderana ny ezaka vitan’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny naharava ireto tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto, indrindra ny nahazoana ireo basy mahery vaika nampiasain’ireo jiolahy ireo.

J.C

Cet article Fanafihana ny Airtel Money Andoharanofotsy : jiolahy 3 maty voatifitra, 2 azo sambo-belona, zandary iray naratra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>