
Maty novonoin’ireo jiolahy, ny alin’ny alahady teo i Annie, 14 taona, iray amin’ireo zaza mianadahy nisy naka an-keriny, tany Toamasina, iray volana lasa izay. Etsy ankilany, manome 24 ora handoavana ny vola 4 tapitrisa euro ho takalon’i Arnaud, anadahiny, ireo mpanao “kidnapping”
Iray volana katroka anio, 22 novambra – 22 desambra, ny nangalan’ireo jiolahy an-keriny ireo mianadahy zanaka mpandraharaha, tany Toamasina. Nivoatra tampoka ny raharaha. Naolana ny lohany ary natsipy teo amin’ny vavahadin’ireo nalaina an-keriny ihany, any Tanambao Verreri Toamasina, ny alahady alina teo, ny fatin’ilay tovovavikely 14 taona, antsoina hoe Annie, anisan’ny nalain’ny jiolahy an-keriny. Araka ny vaovao avy any Toamasina, manodidina tamin’ny 10 ora sy sasany alina tany no nanarian’ireo jiolahy ny fatin’ilay ankizy. Tao anaty haizina tanteraka no nahitan’ny mpandalo ny razana. Tsy nisy nahita ny olona mety nanary azy io. Voalaza fa nidina teny an-toerana mihitsy ny lehiben’ny mpampanoa lalàna Toamasina, Lauret Rajaona Thierry, niaraka tamin’ireo “cellule d’enquête” nanao ny fanadihadiana momba ity tranga farany. Andanin’izany, manome 24 ora ny fianakaviana hanomezana ilay volabe 4 tapitrisa euros ireo jiolahy ho takalon’i Arnaud. Mety hovonoin’ireo jiolahy koa?
Teo am-pivoriana tao anatin’ilay trano nahatrarana ilay fiara 4×4 Mitsubishi, tany Andranomadio, ireo jiolahy niisa dimy no nenjehina, saingy tafaporitsaka ny efatra nandritra ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa tao anatin’ireo tafaporitsaka ireo jiolahy raindahiny ka anisan’izany i Moustapha jiolahy efa nitifitra ny mpamilin’ny orinasa SKT nandritra ny fanafihana ny karaman’ny mpiasa, iray, volana avy nalaina tamin’ny banky. Anisany koa Tida Kely na Veve, izay voalaza fa tokony mbola higadra ao amin’ny fonjaben’i Mahajanga. I Fredo izay mpifandray tendro amin’i Freddy efa mifonja ao Tsiafahy noho ity resaka fakana an-keriny ity ihany. Olona iray hafa izay tsy fantatra ny anarany, anisan’ireo tafatsoaka. Olona tokana kosa no voasambotra niaraka tamin’izy ireo, izay niampy ireo mponina manodidina izay ahiahiana mikasika ny fanafenana ny zava-nitranga tamin’ireo resaka fiara nafenina tao Andranomadio izao.
Ankoatra izay, namoaka anaran’ireo jiolahy raindahiny telo ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina, nambarany fa atidoha amin’ity raharaha ity: Tida Kely, Fredo ary Lejao na Rajao Fenoarinaivo. Samy gadra mbola mamita sazy any am-ponja avokoa ireo. Nampita hafatra ihany koa ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina ny hamotsoran’ireo jiolahy amin’izay ilay tovolahy mbola any am-pelatanan’izy ireo.
“Tery ny lalan’ireo jiolahy”
Araka ny fanazavana avy amin’ny lehiben’ny mpampanoa lalàna ihany, efa tery ny lalan’ireo jiolahy, ary efa teo am-pisamborana azy ireo mihitsy ny mpitandro filaminana. “Paikady nentina nanariana dia ny mpitandro filaminana ny namonoana an’i Annie. Hita ny toerana nitazonana azy ireo ka tsy maintsy nitsoaka izy ireo. Nizara roa ireo olon-dratsy ka ny iray nitondra ilay tovolahy ary ny faharoa nitondra an’ilay zazavavy ary izao novonoiny izao. Entina hampihorohoroana izao nataon’ireo jiolahy izao”, hoy ny fanazavana.
Hita ny fiara nitondrana azy mianadahy ary novana loko sy laharana saika hitondrana azy mianadahy hiala ao Toamasina, kanjo sarona ny alahady teo. Ity fiara Mitsubishi ity izay an’ny rain’ireo ankizy ihany. Efa vonona ihany koa ny laharana fiara miisa telo, dia ny laharana 9012 TAV, sy ny soratra hoe “Assistance technique” hapetaka taminy entina hanariana dia ireo mpitandro ny filaminana mety hanara-maso.
Mihazakazaka ny raharaha iray volana aty aoriana, mihorohoro ireo fianakaviana taorian’ity famonoana tampoka an’i Annie. Hanao ahoana ny hoavin’i Arnaud. Fantatra fa mandrangaranga fandrahonana amin’ity farany ireo jiolahy. Manao izay ho afany ny rehetra, ny mpitandro filaminana, ny fianakaviana hatramin’ny Frantsay manampy azy ireo. Efa raharaham-pirenena mahasaringotra olona maro, gadra, mpitandro filaminana, olona ambony ity kidnapping ity. Mihetsika ny fitondram-panjakana manoloana izany, kanefa hatraiza ny fepetra raisiny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany?
Yves S. sy Sajo
Cet article Raha efa maty novonoina i Annie kely… manome 24 ora handoavana 4 tapitrisa euro ho takalon’i Arnaud ireo jiolahy est apparu en premier sur NewsMada.