
Miseholany ny fanafihana isaky ny kartie. Teny Ivato indray, ny asabotsy teo, ireo andian-jiolahy mirongo basy no nanafika. Olona iray maty voatifitra.
Notafihina dimy lahy nitondra PA ny Cyber iray eny Mamory Ivato, ny asabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny 6 ora. Niditra tampoka tao anatiny ireo ary nanery ny rehetra hamoaka ny vola. Namaly ny mpiambina, izay rahateo ny asany, ka notifirin’ireo jiolahy avy hatrany. Maty tsy tra-drano izy io vokatr’izany. Mpanjifa iray tao amin’ilay Cyber ihany koa nodarohan’ireo olon-dratsy ka naratra mafy tamin’izany. Vola 1.400.000 Ar lasan’ireo jiolahy niampy fahana antapitrisany.
Nanenjika avy hatrany ny miaramila sy ny zandary eny Ivato raha vao nahazo antso. Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy, ary nanaovana famotorana. Nitohy hatry ny alin’ny asabotsy ny fikarohana ireo namany fa tsy tratra.
Nitovitovy amin’izao ihany koa ny zava-nitranga teny Ankadifotsy, ny herinandro lasa teo. Nasesin’ny jiolahy ny toeram-pivarotana maromaro, nirefidrefotra ny basy. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanarahan-dia fa tsy nisy tratra ireo jiolahy. Manararaotra ny andro manorana sy ny harivariva ny jiolahy, ary manahy ny hisian’izany isaky ny fokontany eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Taorian’Ankadifotsy sy Ivato, aiza indray ny manaraka? Akaiky ny fety, mampirongatra ny asan-jiolahy, indrindra fa ny eto an-dRenivohitra. Aiza ho aiza ny mpitandro filaminana.
Yves S.
Cet article Cyber voatafika : maty notifirin’ny jiolahy ny mpiambina, mpanjifa iray naratra est apparu en premier sur NewsMada.