Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Seranam-piaramanidina Ivato : tratran’ny polisy ireo teratany vahiny mpisoloky

$
0
0
IMG_2540

Saron’ny polisy avy ao amin’ny Surveillance du territoire (ST) teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny asabotsy teo ny teratany vahiny roa (mpivady) malaza ratsy amin’ny fisolokiana…

 

Teratany vahiny no voalaza fa solokin’izy mivady ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy nametraka fitoriana tao amin’ny polisin’ny ST Anosy fa misy mpivady teratany vahiny nisoloky azy ireo. Milaza ho mahavita mandefa olona hiasa any Eoropa izy mivady.  Voalaza fa ireo teratany vahiny ihany koa no jonoin’izy mivady ireto. Nilaza ireo niharan’ny fisolokiana fa nampanantenain’izy mivady ireo fa afaka manorim-ponenana any Eoropa ka izy ireo ihany no mikarakara ny antontan-taratasy sy fitaterana ary ny fiantranoana aty Madagasikara mialoha ny handehanana any Eoropa. Olona sivy no efa voasolokin’izy mivady ka hakany vola 6 000 dolara avy.

Nony tonga eto Madagasikara anefa ireo niharan’ny fisolokiana, avelan’izy mivady ho lany Visa ka voatery alefa mody any amin’ny tany niaviany.

Nilaza izy mivady, nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa misy lehilahy iray miara-miasa amin’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny.

Rehefa mahazo volabe avy amin’ireo olona solokiny izy mivady, alefa any amin’ny banky any ivelany aloha ilay vola vao alefa eto Madagasikara. Voalaza fa tsy mipetraka eto an-toerana fa mivezivezy any Kaomoro sy Seychelles izy mivady.

Natolotra ny fampanoavana, omaly, izy ireo.

Jean Claude

Cet article Seranam-piaramanidina Ivato : tratran’ny polisy ireo teratany vahiny mpisoloky est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles